Misy didy tena tsara Izay nomen'ny Tompo hoe : Mba mifankatiava tsara, Hianareo izay mino e ! // Ka miraisa // Izao no didy lehibe. (in-2) Tonga Jeso mba hanompo Sy mba hampihavana ; Tsy mpanaraka ny Tompo Izay tsy tia namana. // Ka tadiavo // Izay ho fampiraisana.(in-2) Fa iray tokoa ny Loha, Dia Jesosy Zanaka, Endriky ny Ray Tsitoha, Izay halaina tahaka. // Tsy ho resy // Raha miray ny tafika. (in-2) Jeso no Ilay foto-kazo, Tena voaloboka ; Ka ny sampana halazo, Raha tafasaraka. // Ikambano // Ka aza mba mihataka. (in-2)Lost In Wonder Помоги Господи Я люблю Тебя To odpocznienie moje Da pacem Domine O Rabbim - Sen bilan yahshi Poďte a pozrite Non temere చాలునయా చాలునయా О Господи Видит меня Пресветлое Око Твое
Song not available - connect to internet to try again?