Misy maro ao an-tsaha mitaraina Ka ento ny jiro mba hankao, Tsy mba misy antoandro na maraina, Fa maizina re ny ao ; Indro olo-maro be No maniry mafy hoe : Mba midína mankatý, Itondray Baiboly re Izy ireo, fa ta-handre An'i Kristy Tompo soa ; « Mandehana, » hoy ny Tompo « Mandehana ho amin'izao tontolo izao ». Mitsangàna ary, eny mitsangàna, Fa Izy no homba anao. Mandehana mba hitarika ny jamba, Mba ampifalio ny ory fo ; Ny mahantra ilazao fa misy lamba Tsy miova, tsy mety lo ; Jeso Mofon'aina soa, Sady Ranon'aina koa, Asehoy ho hitany, Tena Andriamanitra, Tompo tao an-danitra, Ambarao ho fantany : « Mandehana, » ..sns. Mandehana hanatanjaka ny osa, Omeo toky re ny ketraka ; Ny anjaranao, ataovy ho tontosa, Ka aza dia reraka, Mandehana hianao, ka vitao ny asanao, Fa ny tambinao arý ; Mbola any ihany re Ny handraisan-tamby be, Dia rehefa tsy etý, « Mandehana, » ..sns.مخلصي ذبحت لا يكون ظلام Пусть на небе ярко Isus pacatul mi-a iertat Шөхратлар Саңа Исам Бени Кабул Ет, Олдуум Гиби Гелдим slạm slạm ạ̉wrsẖlym Քրիստոս Ով Չգիտե Անունը Քո О Боже милостивый Худовандо, нигоҳам кун!
Song not available - connect to internet to try again?