Misy toerana voafidy Manan-daza lehibe, Dia saha saro-bidy, Tena mahavokatra e ! Saha feno fitahiana, Misy voka-tsoa erý ; Ao no mendrika haniriana Saha masina izy ity ! Ny Sekoly Alahady, Io no sahanao, ry Ray Ny Baiboly no angady Hanasoavanao anay ; Mahavatra ny Mpamboatra, Ka mirobona tokoa ; Voakarakara loatra, Ka mitombo sy mamoa. Midadasika ny tany, Nefa karakaina koa ; Fa ny sahanao ihany No tsy manam-paharoa. Misy rano tsy mba ritra Dia Teny Masinao ; Izay toriana eran-tany Mikoriana lava izao. Ny ankizy sesehena No mivory eto izao ; Ireo no hazo ambolena Ao anaty Sahanao, Raha mirona mba tohano, Raha lavo, ajoroy, Zaza osa, ka tantano, Mbola kely ka toroy !Muot Thei A Tuh A Um ! لغيرك ممنوع اللمس Omin Seni kuylayman Бог вечности Cikin Zukatanmu Duka, Sai Mu Bincike Yanzu lys gẖyrk Iso Masih sevadi Вникайте в Слово Божие друзья lys mn ṣʿb ạ̉w ḍyq frḥẗ yswʿ
Song not available - connect to internet to try again?