Mitoera, ry Jesosy ! Ao an-tanimbolinao, Ka amboary izao ny voly Mba hitombo sy hamoa, Tomoera ; Iasao ny nosinay. Mba onenonao ny lasy Itoeranaoy izao, Ka ovay ny Malagasy Mba ho tena zanakao, O ! nomena ; Hazavao ny nosinay. Akekezo ireo mpania Tafaverina Aminao, Ka tantano mba ho tia Ny miresaka Aminao, O ! tariho Ho Anao ny nosinay. Dia fohazy ny mpitory, Mba hanao ny asanao, Ka hamoha ireo matory Mba handre ny sitrakao, Hamasino Ho Anao ny nosinay. O ! Jesosy feno antra ! Dera, laza, ho Anao, Ny lohalika rehetra Handohalika Aminao, Mitoera, Fa Anao ny nosinay.Аз пайравии Масеҳ Ты Господь Ценнее Серебра Apostoli hitvallás Io guardo al cuore Un giorno migliore Հոգուս Խավարը Ճեղքող Լույս rby yswʿ byḥbny tạ̉ml 1 Иуда Terbukalah Sorga
Song not available - connect to internet to try again?