Mivelatra eo imasoko Ny fiandrianan-dehibe Itoeran'ny Mpamonjiko, Dia Jeso Ilay nandresy re. Fa niakatra Izy ka nandao Ity tany fandalovana ; Manjaka ao an-dapany, Ka feno voninahitra. Anjely no manotrona Arahin'ny olo-masina Ireo dia mandohalika Am-panajana fatratra, Ny Tompo eo afovoany, Mamiratra ny tavany, Ka feno hasambarana Izay mahazo taratra. Kanefa tsy mipetraka Ho endriky ny lanitra 'Lay Zanak'Andriamanitra Fa miasa tsy mijanona. Renao va ny fifonany, Ho an'ny Fiangonany 'Zay novidiny tamin-dRà, Ka tiany hampakarina ? Ekeo, ry Fiangonana ô ! 'Lay hany Mpanalàlana 'Zay mandohalika amin-dRay, Ka mitomany hoa anao ! Ry Tompo aza sasatra, Ifony lalandava e ! 'Zahay izay navotanao. Fa te-hankao an-danitra !Bizimçün Göylərdən qurbanlıq Բոլոր Ցեղերից Comme l'eau d'un ruisseau Žiji s Ježíšem Эрхэм дээд Хурга Eu nu sunt mai mult decât fulgul de nea Przybądźcie tu Сениң намиң Қудрәтлик Enquanto eu viver В зеркале времени мы видим ошибки.
Song not available - connect to internet to try again?