Mivory eto izahay Hiantso ny Anaranao, Jehovah Masina ô ! Dia manomeza anay anio Ny soa avy taminao, Ho fitahiana. Ny vavaka tononinay Miakatra any Aminao, Mpamonjy tia anay ! Mba raiso ao an-danitra Ho zava-mani-pofona Izay ho tianao. Ny saotra izay aterinay Mba raisonao, Jehovah ô, Andriamanitray ! Ny vokatry ny molotray Dia aoka ho fanatitra Ankasitrahanao. Ankehitriny, Tompo ô ! Omeo ny Fanahinao Hitoetra aminay. Ho fanalana aizina, Sy fanoloran-kevitra Ho an'ny olonao.Ressuscité يسوع إنت نور حياتي Нива уже созрела Gebed هللوا يا قوم Jakiż to przyjaciel Jezus Di Sini Aku Bawa Когда во тьме ревёт гроза رِبّی بِیگِلدیَرین La strada tua per me
Song not available - connect to internet to try again?