Mivory maro eto Izahay navotanao, Ny saotranay no ento Ho voninahitrao ; Mifaly sy mihoby Mandray ny irakao, Ka eto no mitoby Mangataka aminao. Ry Kristy tena Andry Sy Vatolampinay ! Ry Lohan'ny mpiandry Sy Tompo tokinay ! Tohano mba hijoro Ity mpanomponao, Tinendry ho mpanoro, Mpilaza hafatrao. Handray ny asa mafy, Koa aza ilaozanao ; Hitory, ho mpamafy, Ka dia mba hazavao. Vokiso lalandava Ny saina tianao ; Omeo ny andro lava Hanao ny asanao. Tahio mba ho salama Hahefa ny anao, Ho iraka mafana Ampian'ny herinao ; Mandrava manda mafy Mba hampanjaka Anao, Koa aoko mba hihafy, Fa izay no sitrakao. Ny fitaizam-panahy Adidy lehibe, Ampio mba tsy hanahy Ny asa maro be, Ka dia tahio ny asa Hataony ho Anao ; Ny fony no mikasa Hanoa izay didinao.Marhamat va Hurmat Cez oheň, cez vodu Дом молитвы พระนามยิ่งใหญ่ประเสริฐ Гьозяшларъм Акар Битмез, Тюм Гедженин Бошлууна Йусуф Калдъ Гурбетте Скоро наш Господь придет но каким тебя найдет ทรงให้พระคุณล้น Yaratgan Tangrim mening Veniţi şi nu vă temeţi
Song not available - connect to internet to try again?