Moa Jesosy ve tsy ahy ? Andriamanitra mahery Koa nahoana no hanahy Izy miambina mijery. Fahavalo na dia maro Tsy mba mahakasika ahy Izy no ampinga miaro Koa izaho tsy hanahy. Moa Jesosy ve tsy ahy ? Ilay Mpanolotsaina hendry Koa tsy kivy fa ho sahy Amin-java-tsoa kinendry. Tsy manaonao foana Fa tarihin-Kapiteny. Tsy manahy satria nahoana ? Ao ny saina izay nomeny. Moa Jesosy ve tsy ahy ? Ilay Jesosy mahagaga, Mpanasitrana, Mpitahy Ka ahoako izay hitranga ? Ranomasina aza tao, Nampagininy ka tony ; Hainy mihitsy ny manao Hahatò ny sitrapony. Moa Jesosy ve tsy ahy ? Rain'ny mandrakizay, eny ! Velon-toky ny fanahy Izay nekeny , novonjeny, Koa na ory sy mijaly Aza aho etý an-tany, Vetivety dia hifaly : Mampaninona izany ? Moa Jesosy ve tsy ahy ? Ilay Andriampiadanantsika, Andriamanitra Mpiahy, Fitahiana feno hika. Famonjena efa vita Hofikiriko hatrany, Fahasoavana hampita, Any am-paradisa any.Доныне с милостью всесильной wǒ cóng yuǎn fāng zhī dào nǐ Ich lege meine Krone ىيسا، سۉيۅم سەنى تاازئم قىلام ۇشۇل تويعو بەرسىن قۇداي باتاسىن بال بوبەكتىڭ ارالى بۇل Sendan Minntadorman Świat nie jest domem mym Láskou šetřit La Bibbia
Song not available - connect to internet to try again?