Modia, modia, Fandrao very tokoa, Fa ny efitra be No diavina izao ; Ry zanako ô ! Modia izao. Modia, modia, Fa miandry ny Ray Hampandroso anao Sady hanome soa ; Ry zanako ô ! Modia izao. Modia, modia, Fa nanavotra anao Jeso ilay be fitia Izay nisolo anao ; Ry zanako ô ! Modia izao. Modia, modia, Ka ilaozy izao Izay ratsy natao Nahameloka anao, Ry zanako ô ! Modia izao. Modia, modia, Hovantaninao ao Ny tranon'ny Ray Sy ny lamba madio Ry zanako ô ! Modia izao.Божий дом dú mù bù chéng lín Сее се семе тук ʿạmaⁿạ wrạ Todos Juntos Tributemos Насъл Бир Севги Бу İsam senle esenlikte Біздің Иса Glory Be to the Father/ Greatorex ạlrb qryb
Song not available - connect to internet to try again?