Mpamonjy soa malala ô ! Mba miandrandra Anao Ny foko sy fanahiko Ankehitriny izao ; Fa Hianao irery No tena Mpanome Ny fahafinaretana Sy fitsaharam-be. Mpiandry ondry mora ô ! Ry Jeso be fitia ! Hazony aho ondrinao Mba tsy haniasia ; Andraso isan-andro, Arovinao anie, Endrey fa mahatahotra Ny biby marobe. Ry Kristy be fitia ! Ry Tompo tsy mandao ! Ny sandrinao iondanako Fa mamy Hianao ; Hianao nanolo-tena Ho faty fahizay, Hanangana olo-meloka Ho zanakao indray. Ry Tompo Zanahary Be faharetam-po ! Izaho te-ho olonao Mahitsy sy madio ; Ovay ny toe-tsaiko, Ny foko mba sasao, Mba ho tempoly mendrika Ny hitoeranao. Ry Jeso tsy miova ! Ry Vonivatoko ! Ry Zanak'Andriamanitra ô ! Ry Aro lehibe ! Izaho dia matoky Ny fitiavanao ; Fa sambatra ny olonao Miankina Aminao.Beulah Land/ I've reached the land Až do konca dní Аякларъна Я Гиби Храни, Господь, Узбекистан Ott a Via Dolorosán kyf ạ̉nsy nạ̉ty bdẖbyḥẗ ạlsẖkr Ps. 121 Как дивна велика любовь Твоя لأنه هكذا أحب الله العالم
Song not available - connect to internet to try again?