Mpamonjy soa malala ô ! Mba miandrandra Anao Ny foko sy fanahiko Ankehitriny izao ; Fa Hianao irery No tena Mpanome Ny fahafinaretana Sy fitsaharam-be. Mpiandry ondry mora ô ! Ry Jeso be fitia ! Hazony aho ondrinao Mba tsy haniasia ; Andraso isan-andro, Arovinao anie, Endrey fa mahatahotra Ny biby marobe. Ry Kristy be fitia ! Ry Tompo tsy mandao ! Ny sandrinao iondanako Fa mamy Hianao ; Hianao nanolo-tena Ho faty fahizay, Hanangana olo-meloka Ho zanakao indray. Ry Tompo Zanahary Be faharetam-po ! Izaho te-ho olonao Mahitsy sy madio ; Ovay ny toe-tsaiko, Ny foko mba sasao, Mba ho tempoly mendrika Ny hitoeranao. Ry Jeso tsy miova ! Ry Vonivatoko ! Ry Zanak'Andriamanitra ô ! Ry Aro lehibe ! Izaho dia matoky Ny fitiavanao ; Fa sambatra ny olonao Miankina Aminao.ạ̉ʿṭsẖ lrwḥk Нер'де койунум Пройдут года и постепенно ไม่มีใครเหมือนพระองค์ Rád építek Wielbię Cię كۅكتۅگۉ تەڭىرىم hnạk wyạh .. hnạk wyạh Тихо встала заря Kiedy w jasną, spokojną, cichą noc
Song not available - connect to internet to try again?