"Mpivahiny ! mba lazao ; Zovy moa hianao ?" "Izaho namanao ity, Fa miandry Ilay ary." "Mpivahiny ! mba lazao : Iza no andraisanao ?" "Jeso, Havako arý, No andrasako aty." "Mpivahiny ! mba lazao : Aiza no halehanao ?" "Lalana ety avokoa Sady sarotra tokoa." "Mpivahiny ! mba lazao : Iza no harahinao ?" "Jeso, Zoky be fitia, Tsy mamela mba hania." Mpivahiny ! mba lazao : Aiza no hodianao ?" "Ao an-danitra madio No aleha ankehitrio." "Mpivahiny ! mba lazao : Iza no handray anao ?" "Jeso, Ilay Mpanjaka soa, Tompo, Havako tokoa."Som navždy Tvoj! Здесь жизнь моя есть песнь хвалы Миннетдар Zda víš? Ölüm Vadisindeyken Юные силы молодость раннюю Богу 主啊我赞美你 Mio Re Пенуэлден күн чыккандай Жакыпка Break Free
Song not available - connect to internet to try again?