Na mamely ny tafiotra lehibe Sy mandrivotra fatratra Ka efa mila hahavery saina re! Hozakaiko fa lahatra Jeso Tompo no amiko izao Ka ny loza resiny avokoa Izy no mitondra ahy mba ho ao Amin-dRainy handova ny soa. Mandrosoa hoy ny Tompo Fa Izaho hitondra anao Ka hitandrina anao Sy hanatitra anao Any Ziona fonenan'ny Ray Na dia maizina ny lalako ety, Sady be fahavalo koa Kelikely foana dia ho tonga ary Ka ho tretrika ao tokoa. Jeso Tompo no misakambina Sy mihazona ny tanako roa, Sady be fitia ka te-hiambina Ny fanahy sy ny aiko koa. Mandrosoa hoy ny Tompo, sns... Reko re ny alon-drano lehibe 'Zay mamely ankehitrio; Ka toa kivy ny fanahiko mandre, Kanjo tsara ho ahy io. Fa tsy tiako ny hanalavitra 'Lay Mpanafaka ny zava-manjo, Raha toa ny saiko tsy finaritra, Ka mangovitra mafy ny fo. Mandrosoa hoy ny Tompo, sns...Se non ci fossero le nuvole الأيات والعجائب lán tiān xià chéng qún de bái gē fēi في السمويات Смотрю на Тебя Дээрде Хаан wǒ men zài děng dài Fajar Merekah Осанна Ожидали мы во мраке
Song not available - connect to internet to try again?