Nahafoy ny aiko Aho, Hanavotako anao, Ka nalatsako ny rako, Nisoloako anao ; He ! ny aiko no nomeko, Ry mpanota very e ! Aiza izay afoinao re, Mba ho Ahy Tomponao ? Lapan-dRaiko ao ambony, Voninahi-dehibe, No nilaozako hamonjy Sy hanafa-doza anao, 'Zay voafitak'i Satana Sy nozoin-doza be ! Aiza izay afoinao re, Mba ho Ahy Tomponao ? Soa be sy mahagaga No atolotro anao ; Famonjena tsy vidina, Famelana otanao. Fitiavan-tsy voafetra Lova ao an-danitra ao ! Aiza izay afoinao re, Mba ho Ahy Tomponao ? Indro, Tompo ! fa omeko Ho Anao ny tenako, Ka tsy misy 'zay tsy foiko 'Zay rehetra tianao ! Eso, latsa, tsy ahoako Fa ny ho mpanomponao No ho zavatra kendreko, Raiso re ny zanakao !Todo lo que tiene vida تراك 18 Люди думают всерьез как ответить на вопрос Una vita nuova tsbyḥ bʿd ạlkẖdmẗ - bybw إني لا أعلم mn ʿạlm ạlrwḥ Wwjd (Al posto mio) I will follow Christ Свет, сияющий во тьме
Song not available - connect to internet to try again?