Nahafoy ny aiko Aho, Hanavotako anao, Ka nalatsako ny rako, Nisoloako anao ; He ! ny aiko no nomeko, Ry mpanota very e ! Aiza izay afoinao re, Mba ho Ahy Tomponao ? Lapan-dRaiko ao ambony, Voninahi-dehibe, No nilaozako hamonjy Sy hanafa-doza anao, 'Zay voafitak'i Satana Sy nozoin-doza be ! Aiza izay afoinao re, Mba ho Ahy Tomponao ? Soa be sy mahagaga No atolotro anao ; Famonjena tsy vidina, Famelana otanao. Fitiavan-tsy voafetra Lova ao an-danitra ao ! Aiza izay afoinao re, Mba ho Ahy Tomponao ? Indro, Tompo ! fa omeko Ho Anao ny tenako, Ka tsy misy 'zay tsy foiko 'Zay rehetra tianao ! Eso, latsa, tsy ahoako Fa ny ho mpanomponao No ho zavatra kendreko, Raiso re ny zanakao !เชิญพระวิญญาณ Mi rialzerai Путь домой tqdm yạ sẖʿby Cerca de Ti Od Boga zdala szlak mój szedł THE ENDEAVOUR BAND jìng jìng děng dài zhe فوق كل قوة THERE IS POWER IN THE BLOOD
Song not available - connect to internet to try again?