Njay reko, Tompo ô 'Njay re ny feonao ; Miantso ahy Hianao Hankany Kalvary, Tompo lehibe, Raiso aho e ! Mba sasao ny ranao soa Izay tao Kalvary. Malemy aho e, Ka mitaraina hoe : Vonjeo ny aiko, Tompo ô ! Vonjeo ny olonao : Tompo lehibe, .. sns. Ny fiadanam-po Mandresy ny manjo ; Esorinao ny tahotro, Ry Tompo ô ! vonjeo Tompo lehibe, .. sns. Mpanota tsy mandà, Ry Tompo, mamelà ! Ny fahotako lehibe Ifonako tokoa ; Tompo lehibe, .. sns. Ny foko tsy madio Mba diovinao anio Maloto aho, ry Tompo ô ! Sasao ho voadio Tompo lehibe, .. sns. Ny foko no sasao, Ka diovinao izao ; Ny fahotako marobe Levòny avokoa Tompo lehibe, .. sns.lys ạsm ậkẖr Celui qui veille sur Israël In Christus ist mein ganzer Halt Ry mino miambena re Яшам Екмеи Бен'им ٴسوزىڭدى الدىم قولىما Гэмийн хүнд ачааг үүрч Кровь Христа моя сила wǒ bù wèi zì jǐ huó مهما كان
Song not available - connect to internet to try again?