Nomeko ho anao Ny rako masina, Hanavotra anao, Izay tsy marina ! // Ka dia mba inona izao No Ahy taminao ? // Nafoiko ho anao Ny zava-tsoa be, Mba hanatonanao Ny Raiko lehibe ! // Ka dia mba inona ..sns. // Izaho Tomponao Nijaly mafy re, Hanafaka anao, Mpanota lehibe ! // Ka dia mba inona ..sns. // Ny vonjy lehibe Nataoko ho anao, Ny rako nitete Handio ny otanao ! // Ka dia mba inona ..sns. // Jesosy Tompo ô ! Izao no teniko : Atolotro Anao Ny aiko sy ny fo ! // Izany no isaorako Anao Mpamonjiko ! // Ny foko raisonao, Oneno hatretý, Ataovy lapanao Na eto na arý ! // Dia tano aho, Tompo ô, Mba ho fanananao ! //mn syfṣlnạ ʿn mḥbẗ ạlmsyḥ جۉرۅگۉمدۅ داڭقتال، تەڭىر Знаю я Он избавил меня Тұз өз күшін жоғалтса керегі жоқ Šťastie je tam, kde býva Pán Одамлар йшонинглар Като гледам Спаса Imanuel ạ̉mạm ʿrsẖk nsẖdwạ Nech dobrý Pán
Song not available - connect to internet to try again?