Ny alina ho lasa, Na ela aza re, Hipoaka ny andro Mahafinaritra ; Ny zavona hisava An-tendrombohitra ao, Ny vavahady tsara Ho tsinjoko izao. Mba sarotra tokoa Ny fiakarana e ! Mamely mafy koa Ny rivo-doza be ; Fa he ny mpivahiny Izay efa trotraka Tantanan'ny Mpamonjy Tsy ho solafaka. Ny famonjen'i Kristy, Ny fanavotany, No loharano soa Mangarangarana ; Nandramako sahady Ny rano velona, Ka dia nahazo hery Am-pandehanana. Ny rano be hitànay, Ny fefy tsilo koa, Ny lalana mahàna Ho afaka avokoa ; Ka dera, Haleloia, No mendrika hatao Ambara-pahatonga Am-pitsaharana.Кел, қазір мадақ уақыты Beko Zotin Shpirti im سأظل العمر مديون لك Мой Бог, моя жизнь Ասա, երգիր և դավանիր எனக்கு யாருண்டு கலங்கின நேரத்தில் Құдайым - қорғаным, паналар орманым باردىق ەلدەردىن، تىلدەردىن Встань и пойди всему миру расскажи: Отец Сын и Дух Святой
Song not available - connect to internet to try again?