Ny alina ho lasa, Na ela aza re, Hipoaka ny andro Mahafinaritra ; Ny zavona hisava An-tendrombohitra ao, Ny vavahady tsara Ho tsinjoko izao. Mba sarotra tokoa Ny fiakarana e ! Mamely mafy koa Ny rivo-doza be ; Fa he ny mpivahiny Izay efa trotraka Tantanan'ny Mpamonjy Tsy ho solafaka. Ny famonjen'i Kristy, Ny fanavotany, No loharano soa Mangarangarana ; Nandramako sahady Ny rano velona, Ka dia nahazo hery Am-pandehanana. Ny rano be hitànay, Ny fefy tsilo koa, Ny lalana mahàna Ho afaka avokoa ; Ka dera, Haleloia, No mendrika hatao Ambara-pahatonga Am-pitsaharana.إنت خلاصي Inima mi-e gata să-Ţi cânte-o Domnul meu Да, Ты здесь! Мы вознесём Тебя! عارفين اللي عمل شمس وقمر 靠主的宝血 Este es mi deseo ạ̉nạ lsh bạṣdq SACRAMENT Ti ho dimenticato Über alle Welt bist du der Herr
Song not available - connect to internet to try again?