Ny andron'ny fahasoavana Miposaka ho antsika Manerana izao tontolo izao, Ny tarany efa hita, Ka ravo ny olombelona, Fa lasa ny alintsika. Niova terý ny alina, Fa teraka ny Mpamonjy, Mamiratra re ny lanitra, Miseho izao ny vonjy, Ka lasa tokoa ny aizina, Mihoby ny voavonjy. Na dia ho nahay nihira re Ny hazo an-ala rehetra, Ka afa-mikalo ny ravina Hidera ny Avo indrindra, Tsy ampy ho fanandratana Ny Tompon'ny ain-drehetra. Ny feon'ny olonao izao Misandratra, ry Jehovah, Hidera ny fitiavanao Sy ny indrafonao soa Niaro ny fiangonanao Hatramin'ny fahagola. Ho an'ny tanindrazanay Izahay re, ry Ray Tsitoha, Ka hiditra ao an-tranon-dRay Nomanin'Ilay Mpialoha ; Ny olonao dia ho tafaray Hidera Anao tokoa !Будьте бодры и всегда молитесь Trezeşte-te azi şi te ridică Святой Эски сааттар, эски күндөр Иисус души Спаситель ạ̉nt yạ rb yswʿ ʿznạ wfkẖrnạ Novembre هامشي في طريق الصليب Когда я Библию читаю A noite termina e o día xa ven
Song not available - connect to internet to try again?