Ny fasika amoron'ny rano Tsy tambo isaina, fa maro ; Ny kintana an-danitra koa Tsy azo isaina avokoa. Ny otako toraka izany, Ny isany tsy hita lany ; Izaho nanary ny soa, Ka dia mahantra tokoa. Indrisy, izaho nania, Ka very ny valim-pitia ; Ny foko tsy mety mangina, Fa maro ny heloka ahina. Izaho maniry hahazo Ny lova izay tsy halazo ; Iriko ny ho tafafindra Ho amin'ny Avo indrindra. Ry Jeso Mpamonjy Mahery, Variana aho fa very, Ka noho ny ranao madio, Ny heloko re mba ario !Սուրբ ես,Սուրբ ես Դու, Մեր Տեր Adesso ho te بحبك باهديلك كل قلبي Քեզ կասեմ ոտքի ել քայլիր Sei tu Gesù - Proclamerò ساعان ماداق ٴان ايتقاندا Эй ϸри меҳрубонам Sagrado Es Al Amor Эшигингни оч Чун бар чӯбе, ки мехкӯб шудаӣ бар он, нигарам
Song not available - connect to internet to try again?