Ny fasika amoron'ny rano Tsy tambo isaina, fa maro ; Ny kintana an-danitra koa Tsy azo isaina avokoa. Ny otako toraka izany, Ny isany tsy hita lany ; Izaho nanary ny soa, Ka dia mahantra tokoa. Indrisy, izaho nania, Ka very ny valim-pitia ; Ny foko tsy mety mangina, Fa maro ny heloka ahina. Izaho maniry hahazo Ny lova izay tsy halazo ; Iriko ny ho tafafindra Ho amin'ny Avo indrindra. Ry Jeso Mpamonjy Mahery, Variana aho fa very, Ka noho ny ranao madio, Ny heloko re mba ario !Still Believe Горячая любовь O jak powitać Ciebie Слушай Духа нежный зов 愿神兴起时代的工人 องค์พระเยซูทรงล้ำค่าอนันต์ 你在哪里主所爱的人 Kristova krv, spravodlivosť Veniți azi să cântăm lui ADONAI Otevři, Pane, oči mé
Song not available - connect to internet to try again?