Ny foko, ry Mpamonjy, Atolotro Anao ; Maloto ka diovy, Mba ho fonenanao. Ny ranao izay nalatsaka, No aoka mba hanafaka Izao fahotako be izao. Ny fahoriam-poko Atolotro Anao ; Fa he, mampitoloko, Manindry mafy ao ; O, ry nijaly an-tsitrapo, Tohàny ny fanahiko Mba tsy hamoy fo izao. Ny fifaliam-poko Atolotro Anao ; Arovy tsy haloto, Diovy ho Anao, Ampio ho tanteraka, Ho tonga ao an-danitra Hanatrika ny tavanao ! Ny tenako rehetra Atolotro Anao ; Anao tsy misy fetra, Anao, re, hatrizao, Ka raiso ho fanananao Hanompo sy hanaja Anao, Ry Tompo sy Mpanjaka ô !They'll be no dark valley Кто зажигает солнце по утрам Dio ti sorprenderà АДА КУДАЙ КАНДЫЙ ЈАКШЫ ӦЙ БИСКЕ БЕРГЕН Beautiful Lord Dirildi Rab Mezardan - Haleluya! Նրա Հետ Կգնամ افتح عيون قلبي Теңирден корккон Сакин Олур Билирим Рабсин
Song not available - connect to internet to try again?