Ny foko, ry Mpamonjy, Atolotro Anao ; Maloto ka diovy, Mba ho fonenanao. Ny ranao izay nalatsaka, No aoka mba hanafaka Izao fahotako be izao. Ny fahoriam-poko Atolotro Anao ; Fa he, mampitoloko, Manindry mafy ao ; O, ry nijaly an-tsitrapo, Tohàny ny fanahiko Mba tsy hamoy fo izao. Ny fifaliam-poko Atolotro Anao ; Arovy tsy haloto, Diovy ho Anao, Ampio ho tanteraka, Ho tonga ao an-danitra Hanatrika ny tavanao ! Ny tenako rehetra Atolotro Anao ; Anao tsy misy fetra, Anao, re, hatrizao, Ka raiso ho fanananao Hanompo sy hanaja Anao, Ry Tompo sy Mpanjaka ô !Lungkham Na Nempa Ježiša kto má rád PATHIAN CU THANGTHAT SI KO SEH ạ̉yhạ ạlmlk ạlsmạwy Povedz či Ježiš Z Ojcem Przedwiecznym stolicę dzieli Od nás dávno túžený Znáš to more milovania Chci vždy Boha oslavovat Тобі мій праведний Отець
Song not available - connect to internet to try again?