Ny hazo-fijaliana Tsy maintsy hotsarovana ; Henoy, ry fanahiko, Ny tenin'ny Mpamonjinao ! Vakiteny 1 Ny teny voalohany Mihevitra ny rafiny : « Mba mamelà ny helony, Fa jamba ny fanahiny ! » Izaho koa Jeso ô ! Dia jamba sady ratsy fo ; Ka mba jereo sy iantrao, Fa te ho tonga olonao. Vakiteny 2 Ilay meloka tanilany Naniry mba ho raisiny, Nomeny toky tsara io : « Ho any Paradisa anio ! » Raha avy ny anjarako, Ka tapitra ny androko, Mba raiso aho Tompo ô, Ho any Paradisanao ! Vakiteny 3 Dia hitany ny reniny Tomany teo akaikiny, Toy ny tsindronin-defona Ka feno fisentoana. Dia Jaona no natolony Ho zanany ho solony : « Mba raisonao, ry Jaona ô Ho reninao ny reniko ! » Tsarovy aho, Tompo ô ! Raha ao am-pahoriako, Iraho ny mpianatrao Hanampy ny mpanomponao ! Vakiteny 4 Ny teniny fahefatra No tena mampangovitra ; Niantso Izy, hoe : « Ry Ray, Nahoana Aho no afoy ? » Izao no dia nandaozana Anao tam-pahoriana ; Hahafaka ny tahotro, Raha tonga ny fotoako. Vakiteny 5 Ny otako izay nentiny Nahory ny fanahiny, Ka nitarainany hoe : « Mangetaheta Aho re ! » Mangidy, ry Jesosy ô, Ny loza niaretanao, Ka aoka mba ho mamiko Ny avotra, izay vitanao ! Vakiteny 6 Hoy Izy indray : « Tanteraka ! » He ! teny mahasambatra. Tanteraka ny asany, Voavotra ny olony. Vakiteny 7 Ny teny farany indray Nilaza ny rahatrizay : « Atolotro ny aiko izao, Ry Ray, ho eo an-tànanao ! » Izany dia mamiko Hiorina ao anatiko, Ka teny hotononiko Eo amim-pahafatesako !Бог наш Христос ДЕТЕ РОДИ СЕ ДНЕС sẖkraⁿạ lḥbk బంగారం అడుగలేదు వజ్రాల్ని అడుగలేదు Дух Иисуса Навина дух завоевателя هذه هي حياتي కరుణించే నావాడు اللەلۋيا، ادوناي Mi ser alaba al Señor Тек Чарем
Song not available - connect to internet to try again?