Ny hazo-fijalianao, Ry Jeso Tompo maminay, Dia an'izao tontolo izao Ka famonjena ho anay. Mivelatra eo ka hitanay Izany fitiavana ; Ka ampianaro izahay Ho be fitia toa Anao ! He ! latsaka eo ho avotray Ny ranao masina sy soa ; Ka mba sasao re izahay Ho olonao madio tokoa ! Voatolotra eo mba ho anay Ny famonjena vitanao ; Ka mba tariho izahay Handray ny fahasoavanao. Mamiratra eo ka tazanay Ny lanitra fonenanao ; Ka mba tantano izahay Ho mendrika ho mponina ao ! Ndrey, tena mahafinaritra Ny miara-monina aminao ; Ka ampio izahay hiaritra Ny hazo-fijalianao.A TANG CHUNGAH KA UM! Omin Seni kuylayman في البدء كان الكلمة Смахну слезу ومهما تكوني حصينة Мəсиһим, һəмишə олдуғу кими Ry Jeso o, Mpanjakanay Înalț vocea mea Блаженны омытые кровью Христа Ты со мною рядом
Song not available - connect to internet to try again?