Ny lanitra sokafinao, Midìna, ry Mahery ! Ampisehoy ny sandrinao, Ry Tompo manan-kery ! He! manakora izao Ny fahavalonao, Ka maro no mandà Ny afo masina Narehitrao, ry Jeso. O, ry Mpitia olona, Mpanjaka voahombo ! Ny teninao dia velona, Mahery sy mitombo ; Ampahafantaronao Izao tontolo izao, Fa tsy mba foana Ny ranao masina Nalatsakao fahiny. Mba ampiraiso hina re Ny olom-boafidy, Ka akambano mafy e, Fa lova sarobidy, Ny fitiavana Madio sy marina No aoka hanavao Ny fiangonanao, Handraisanao ny dera. Ny Nosinay, ny tranonay, Ny vava aman-tsainay, Dia samy mba havaozinao, Ry fototry ny ainay ! Ampiononinao Ny manina Anao ! Avia, ka mamonje, Avia, mampandrese Ny olonao mahantra.kẖlyny kạtb mtʿlm BAIBAL KHA FEK TEIN I TLAIH Conquisterò per te Людям блуждающим путь укажите Örvendj világ az Úr lejött! It’s All Right nhtf nsbḥ لتجعل وجهك Te cantă al meu suflet neîncetat Canta al Señor
Song not available - connect to internet to try again?