Ny lapan'Andriamanitra No ivorian'olona Tsy omby alinalina, Izay madio sy masina. Izao firenen-drehetra izao Dia samy afaka hankao ; Tsy fomban'Andriamanitra Hizaha tavan'olona. Ireny no naharitra Ny hazo fijaliana, Na dia nanao ny henatra Ho zava-tsinontsinona. Endrey, ny hafaliany ! Mazava ny tarehiny ; Fafàn'Andriamanitra Ny ranomaso latsaka. Ataony ao ny hira vao Hoe : " Voavono Hianao ; Ny ranao, Zanakondrinay ! No nanavotanao anay " Ry Jeso ô Mpanavotra ! Izaho dia milatsaka Ho isan'ny mpanomponao Manaraka ny dianao.Kóktegi Ákemiz ḥy hw ạlrb ạ̹lhy La vera immagine Тәңірім - менің Бағушым ร้องโฮซันนา ṭwby̱ lly ạ̹tẖmh ạtgẖfr مینِّتدار yswʿ ạlḥbyb Kechirgin Rabbim Құлап даңқымды коямын
Song not available - connect to internet to try again?