Ny latabatrao, ry Jeso ! Dia atrehinay izao ; Ny fanahinay vokiso Amin'ny fitianao. Tsy nitady zo sy laza Hianao, ry Tomponay ! Foinao ny ainao aza Nanavotanao anay. Jeso ô ! ny ranao soa No nataonao avotray, Mba hanafaka avokoa Izay tsy mahadio anay. Manomeza mofon'aina Tompo ô ! ho tanjakay ; Mihainoa ny mitaraina, Mamalia ny hatakay. Ny fanahinay ry Tompo ! Raiso, fa atolotray ; Faly izahay hanompo Sy hanao ny sitrakao.يا سيدي الحبيب ఉన్న పాటున వచ్చు เราจะมีการฟื้นฟูครั้งใหญ่ในไทยแลน Máme radostnú správu Грешни търси да спаси lsh bạgẖfr Nikoli silou, mocí Шексіз алғыс Саған, Тәңірім Придет тот день There is none like You, Oh Lord
Song not available - connect to internet to try again?