Ny loharanom-pamonjena, He, hitako tokoa izao, Dia Jeso Kristy, Ilay nomena Hamonjy izao tontolo izao, Ny rany dia fantaro Fa ampy hiankinako. Ny otantsika no nanery Ny Tompontsika hankatý Isika hitany ho very, Izany no nidinany Nitondra fahoriana Sy hazo-fijaliana. Ny nialan'ny Tompo aina Hanaisotra ny heloka Dia tsy mba takatry ny saina, Fa hitan'ny finoana, Ny rany no miantso hoe : He, famindrampo lehibe ! Izay no nampionona ahy, Ka afaka ny tahotro ; Na dia ory ny fanahy, Jesosy no Mpanavotro Na misy mampanahy fo, Ny Raiko no be indrafo. Na very aza ny harena, Ka be ny fahoriana, Izaho mbola manantena Hahita fifaliana ; Jesosy, Izay fananako, Dia Tompo feno indrafo. Izaho tsy matoky tena, Na ny fahamarinako ; Jesosy foto-pamonjena No tena itokiako, Ny Raiko no isaorako, Fa izy be indrafo. Izay sitraky ny Ray malala No aoka mba ho sitrakao Fa izy tena mahalala Hametraka izay anjarako ; Izay ataony tiako, Fa hitako ny indrafo. Izany fototra izany No toky izay hotanako Ambara-pitako ho any An-koatry ny fasako, Ka any no hisaorako Ilay fototry ny indrafo.Soltanto tu lo puoi fare Pokój wypełnia Бир гедже уяндъм قد قلت أنت سيدي Vicino a me สรร(ระ)เสริญพระนามพระเจ้าผู้ครอบครอง Hallowed be Thy Name Əsirgəməz Gün işığı, Ay nuru Как много сделал для меня Господь Великий عجيج عدل الله قد Per te
Song not available - connect to internet to try again?