Ny Mpamonjy no mitady Fihavanana aminao ; Izy no manambitamby Hanatonanao izao ; Sao manjary fandatsana Ny fifonana aminao, Ka ny mety, mihavàna Amin'ny Mpamonjy izao. Dieny misy hafanana Ka mangoraka ny fo, Manatòna ny Mpamonjy Sao dia mangatsiaka indray Izao no andro famonjena, Ka vonjeo sao neninao ; Ry mpanota, miverena Izao ankehitriny izao. Sao ity no toriteny Fara-fanasana anao ; Sao anio no fotoana Fara-fahavelomanao : Ka aza mba misalasala, Sao manjary neninao, Raha tsy mety mahalala Izao fotoana mety izao. Indrisy ! be ny fahotako, Be ny ratsy vitako ; Sao tsy raisin'ny Mpamonjy Ny mpanota tahaka izao ? Miverena, fa ny rany Ampy hahadio anao ; Manatona hosasany Izao ankehitriny izao.Szent vagy Истомилась душа по Богу సన్నుతింతుమో ప్రభో Fenn a Sionon járva يسوعي بحبك مفيش زيك حبيب Per il sangue di Gesù إرحمنا Szerelmeddel My soul sings
Song not available - connect to internet to try again?