Ny sento ajanòny Ry malahelo ô ! Ka aza misy intsony Izay hamoy fo ! Fa indro ny Mpamonjy Dia eo anilanao, Ka tonga mba hamonjy Sy hitondra anao. Jesosy no nitory Ny teny soa re, Ny rera-po sy ory Antsoiny mba handre ; Minoa fa ny ota Dia voavelany, Sakaizan'ny mpanota No anarany. Miposaka ny taona Ankasitrahana, Ka be ny voataona Am-pitiavana. Hevero, ry mahantra, Izay anjaranao ! Jesosy be fiantra No Mpamonjinao.yasarim alahim icin Отчизна моя в небесах zhǔ kěn qiú nǐ jié jìng ʿạrfyn ạlly ʿml sẖms MƏNİM XOŞBƏXTLİYİM SƏNİN ƏLİNDƏ 我要天天唱神的慈爱 CONSECRATION Özlemle Yanıyorum Ti adorerò Хаётим Сен учўн
Song not available - connect to internet to try again?