Ny tany izay vangianao, Ry Jeso Masoandronay, Tsy maintsy lasanao, Jeso, Mba hanjakanao avokoa. Ny fo sy tany lasanao Ho feno hasambarana, Ny loza hosakananao, Ny soa hampidinina. Ny vavakay sy dera koa Tsy manam-pitsaharana, Hiakatra Aminao tokoa Hitady fiadanana. Ireo olona voaforona, Dia àry ho Anao tokoa : Hohasoavinao ireo Hanjary masina avokoa. Ny maty hovelominao, Ny ratsy hohavaozinao, Ny very hotadiavinao, Ny diso, re, horaisina. Ry vazantany efatra ! Ry Nosy tanindrazanay ! Mba raiso Ilay Mpanavotra Ho Tomponao mandrakizay !خدنا على جبل عالي يا رب باجيلك 谁能为主争战 Иисус шорысь эн вошъя синъёстз ạ̹n ạsẖtyạq ạlqlb Liberi di adorare ندمان Сенин Йюдже Варлъън Калбим Севинчли, Бен Иса'йла Гидерим على ميعاد
Song not available - connect to internet to try again?