Ny tany sy ny lanitra tsy manam-petra Hiaraka amin'ny mino rehetra Manaiky fa Jeso no aina hamonjy Ny olona ory izay mila vonjy. Na dia manenjika ahy ny ratsy, Tsy lany ny hery, fa Jeso manampy Dia Izy no tanako mafy tokoa, Ka tsy ialako, fa Tompo Tsitoha. Jesosy Sakaizako dia miahy Ny Azy, ka afaka ny ahiahy, Ny fo malahelo ovany ho faly, Ka tretrika indray ireo olo- mijaly. Jesosy fidiko ho Tompo tokoa, Efaiko ny asa sy hevitra soa, Izay halan'ny Tompo tsy tiako intsony, Ka tena iraisako tsara any fony. Izay tanako mafy sy mamy hambara Rehefa ho faty, ka tonga ny anjara : Jesosy, Jesosy irery ihany No aina, harena tsy mety ho lany.Qudaıym tabynamyn قصبة مردودة Śmiało zwycięsko chorągiew podnieście Juda ham koʻp azob cheksam ham Детства друг Můj Pane, ty jak chceš ạrḥmny لما اتصلبت بدالي سۇيەمىن سەنى يسا ЬОзледиим Бир Йер Вар
Song not available - connect to internet to try again?