Ny taom-baovao dia tonga indray Ho fiantsoanao anay Mba hanoloranay Anao Ny tenanay voavotrao. Fa maro be, ry Tomponay ! Ny zava-tsoa nomena anay Tamin'izao taon-dasa izao, Izay isaoranay Anao. Ny mafy izay manjo anay, Tsy tonga foana aminay, Fa mba ho fitahianao Izay miankina aminao. Ka enga anie ny otanay, Izay mitambesatra aminay No hibebahanay izao, Hanaovanay ny sitrakao. Ny taom-baovao, diavinay, Ny taona teo, tafitanay, Ka dia ny fitarihanao No mba irinay aminao.Alleluja (Dio è con noi) HMUN A UM RIH Jam w grzechach niegdyś martwy był هافرح قلبك وهاعيشلك Osservando l'orizzonte Боринглар ва айтинглар و، كيەلى ٴتۇن Al Que En Busca De La Luz 在那遥远的山脚下 Наш Отец - Бог
Song not available - connect to internet to try again?