Ny teninao, Jehovah ! Izay ianaranay, Dia tsara tsy miova, Ka ifalianay, He, tena manan-jara Izahay ankehitrio, Fa lova tsara fara No azo amin'io. Ireo zaza teo aloha, Dia tsy nahita izao, Tsy nisy hampifoha Natory foana tao ; Nahantra sady ory, Niferina aina koa, Tsy fantany akory Izay tena foto-tsoa. Mamiratra indrindra Ny masoandronay, Milanto sy mirindra Ny antom-piainanay ; Ny teninao ihany No nahatonga izao, He ! sambatra ny tany, Fa mahalala Anao. Irinay mba hihombo Izay ianaranay, Ampio koa mba hitombo Ny saina anananay ; Ho avo zato heny Ny voan'ny teninao, Hiely eran-tany Ny voninahitrao !Бетакрор Pane môj, prosiť a veriť ma uč Отче наш Сущий на небесах Излазя Божий Син на бой nʿly mjdk yạ mạlk ạlsẖʿwb Feu du fondeur كل نفس Tal como soy Señor snyn ṭwylẗ mḍt Сән қуяш, һәқиқәт Сениң һиммитиң
Song not available - connect to internet to try again?