Ny teninao, Jehovah ! Izay ianaranay, Dia tsara tsy miova, Ka ifalianay, He, tena manan-jara Izahay ankehitrio, Fa lova tsara fara No azo amin'io. Ireo zaza teo aloha, Dia tsy nahita izao, Tsy nisy hampifoha Natory foana tao ; Nahantra sady ory, Niferina aina koa, Tsy fantany akory Izay tena foto-tsoa. Mamiratra indrindra Ny masoandronay, Milanto sy mirindra Ny antom-piainanay ; Ny teninao ihany No nahatonga izao, He ! sambatra ny tany, Fa mahalala Anao. Irinay mba hihombo Izay ianaranay, Ampio koa mba hitombo Ny saina anananay ; Ho avo zato heny Ny voan'ny teninao, Hiely eran-tany Ny voninahitrao !Бор Бўлган Къайгъы къыйнаймыды сени فلنقترب mn ạ̉nạ lạ̉ṣyr mn sẖʿbk Ó, Bože, Ty si daroval За гүйцлээ гэж Všichni, kdož v tom světě swf nry̱ Modli sa často a s radosťou ạlqrạr qrạry
Song not available - connect to internet to try again?