Ny teninao rehetra, Ry Tompo tia anay ! No tsy mba manam-petra, Fa tò mandrakizay ; Ho levona avokoa Izao rehetra izao, Haharitra tokoa Izao teninao izao. Ny tenin'ny Baiboly No sambatra entinay Handresy ny devoly, Ilay fahavalonay ; Raha misy mampahory, Ka osa izahay, Ny teninao mahery Manjary tanjakay. Fa teny mamy koa Ho an'ny mpakatò Ka loharano soa Miboika ao am-po, Ho fanomezan-toky Ny azon'ny manjo, Sy hani-mahavoky Mamelona ny fo. Fa teny mampisava Ny aizim-be atý, Fanilo manazava Ny dia ho arý ; Manolo-pahendrena, Mananatra ny fo, Milaza famonjena Sy lova tsy ho lo.Engel bringen frohe Kunde Воззови ко Мне и Я отвечу, Prosbu naši, Bože, slyš Давайте смотреть друг на друга C'est en ton nom عمري ما دقت سعادة Երկրպագում եմ mạ ạ̉ḥly̱ ạlsjwd Kresťania, sem spiechajte Туро ситоиш кунам
Song not available - connect to internet to try again?