Ny teninao rehetra, Ry Tompo tia anay ! No tsy mba manam-petra, Fa tò mandrakizay ; Ho levona avokoa Izao rehetra izao, Haharitra tokoa Izao teninao izao. Ny tenin'ny Baiboly No sambatra entinay Handresy ny devoly, Ilay fahavalonay ; Raha misy mampahory, Ka osa izahay, Ny teninao mahery Manjary tanjakay. Fa teny mamy koa Ho an'ny mpakatò Ka loharano soa Miboika ao am-po, Ho fanomezan-toky Ny azon'ny manjo, Sy hani-mahavoky Mamelona ny fo. Fa teny mampisava Ny aizim-be atý, Fanilo manazava Ny dia ho arý ; Manolo-pahendrena, Mananatra ny fo, Milaza famonjena Sy lova tsy ho lo.Non un sol giorno un'ora ТРЕПЕРИ МРАКА Put your hand in the hand of the Man who stilled the water Jeso Tompo, mamindra fo Ҳаётимни Сенга бераман Gloria a Dios! La Ciudad celeste Yüce Lütuf Budur Oh riqueza de la vida Sei forte Gesù In der Nacht von Bethlehem
Song not available - connect to internet to try again?