Ny teninao ry Tompo ô, Dia ranon'aina soa, Izay mahalonaka ny fo Mangetana tokoa, Jereo ny tanimbolinao, Fa tena mila io, Ho feno voa ho Anao Hatramin'ny anio Ny teninao dia sabatra Maranitra tokoa, Mitsara sy mamantatra Ny fonay sy ny voa. Hetseho izao tontolo izao Handray ny teninao, O, asehoy ny herinao, Hamorona aim-baovao. Ny teninao izay tokinay Fanilon-dianay, Noraisinay ho lovanay Sy fifalianay. Ampianaro izahay Hanoa ny didinao, Ataovy izay hitiavanay Ny teny masinao.انا الرجاء Busca primero el reino de Dios Да не оставим от ръце Tanrı Oğlu Тайна Övgü Tanrı'ya Serce oddaję Ci Solo con te Vzduch, ktorý dýchať smiem Dance, Children, Dance
Song not available - connect to internet to try again?