Ny teny masina sy to Nampilazainao, Tompo ô ! No manan-kery mahavoa Ny fahavalonao tokoa, Ka dia itokianay Na aiza no alehanay. Mitaona ny fanahinay Ny teninao, Mpanavotray, Mananatra sy manambara Ny ratsy ary koa ny tsara ; Mpilaza mahafatra-po Ny teninao ry Tompo ô ! Ny teninao no sabatray Sy mpampionona anay ; Ny teninao no mofon'aina Sy mpanazava fo sy saina ; Mpiaro sady tanjakay Ny teninao, ry Tomponay ! Ampinganay ny teninao Ao amin'izao tontolo izao, Ka raha levona ny tany, Ny teny mbola ao ihany, Dia izy iankinanay Ho antoky ny avotray.أيا مؤمنون هيا بالتهليل Call It Grace yswʿ ạlḥbyb Patrz, wytrysnął strumyk Boży Romjaimba élet száll 榜样歌 Ҝəлин сəҹдə един Mária Magdaléna Уже седина на висках Al Estar Aquí
Song not available - connect to internet to try again?