Ny teny masinao, Jehovah Tompo ô ! Nampanoratinao Ireo mpanomponao, Dia tiako ka tanako, Ho lova sy fananako. Ny teny masinao, Izay noteneninao Milaza amiko Ny hasoavanao ; Izay harena atolotrao Ho entiko hidera Anao. Ny teny masinao, Andriamanitra ô ! Maneho ny fitia Nataon'ny Zanakao, Izay maty tany Kalvary, Hamonjy ny mpanota etý. Ny teny masinao, No mampianatra Ny saiko tsy mahay Mba hahafantatra Ny zavatra miafina Izay momba ny hasoavanao. Ny teny masinao, Dia tsy mba mety lo ; Izay ambarany Tsy misy tsy ho to. Na levona aza ka tsy ao Izao rehetra àry 'zao.АЛТАЙ ТУУЛАРЫС В какой завет вступал Христос, Credo in un grande Dio Bendito НАШИЯТ ЦАР Е ИЗДИГНАТ ВИСОКО Oh yo quiero leer su Palabra О Отец, ищу я волю Твою mwsyqy lḥẓẗ slạm Tanrı Sevgidir, O Sevecendir وسط صراخ الدنيا الهايجة
Song not available - connect to internet to try again?