Ny tranon'ny Raiko, trano madio, Tsy misy mahory na zava- manjo ; Avia, ry malahelo, hankao, Mizora, fa Izy hampiditra anao ! // Sambatra re izay tonga ao // // Faly tokoa // Izay tafiditra ao. Mandalo izao fiainana izao, Ka aza sondriana atý hianao ; Ny ratsy izay mitaona reseo, Ny any an-danitra no mba irio ! // Sambatra re, ..sns // He, ao no ho hitantsika tokoa Ny tavan'Ilay Zanakondry madio ; Ny mpino tetý no efa ao koa, Maniry hihaona amintsika tokoa, // Sambatra re, ..sns // Tsy misy manjo izay afa- mankao, Na andro mahory hitseran'ny fo ; Fa any tsy misy alina koa, Tanàna mazava, fonenana soa, // Sambatra re, ..sns // Ny mino rehetra ory tetý Tafakatra any ka faly tokoa, Mihira ny famonjen'i Jeso, Midera ny fiandrianan'ny Ray. // Sambatra re, ..sns //Conocerle a Él es como Великий Боже як на світ погляну lw tʿrf yswʿ Спаситель мой Ты взял меня из мира Bar álemdi jaratqan Qudiretti Qudaı ạkẖlq fỹ qlb yḥbk Благодать Твоя Господь изливается на меня Танръмъз Севги Танръсъ Асрлар ўтиб кетар Ó, veď ma sám
Song not available - connect to internet to try again?