(Maintimolaly) O, fitiavan-dalina, Nasehonao ilay alina Izay namadihana Anao, Ry Jeso, fototr'aim-baovao. Mangoraka erý ny fo, Sy ory ny fanahiko , Raha mba tsaroako izao Ny loza izay nanjo Anao. Fadiranovana Hianao, Nangotraka ny adinao; Ny dinitrao nanjary ra Noho ny fahoriana. Izany niaretanao Noho ny fitiavanao, Ka nentinao ny heloko, Izay tokony ho nentiko. Namita fanekem-baovao Ho famonjena Hianao , Nasianao kase izay Maharitra mandrakizay. Misaotra Anao ry Tompo ô ! Fa ravo ny fanahiko Handray ny fanomezanao Eo amin'ny latabatrao. Ny teninao inoako, Ka raisiko ho ao am-po ; Ny zava tsoa atolotrao Dia ranao sy ny tenanao. Ry Jeso, amboaronao Ny fonay ho fonenanao, Ka Hianao ho tianay Izao sy ho mandrakizay.Спіши до Христа พระเยซูพระองค์ทรงเป็นพระผู้เป็นเจ้า xīn xì shén jiā de rén zài nǎ lǐ Puszta lelkem Ne mutlu RAB'den korkana, O'nun yolunda yürüyene Из размяклой земли легче вырвать бурьян Anowa li puta ka Toate-s trecătoare pe acest pământ Раббим менинг تراك 23
Song not available - connect to internet to try again?