(Maintimolaly) O, fitiavan-dalina, Nasehonao ilay alina Izay namadihana Anao, Ry Jeso, fototr'aim-baovao. Mangoraka erý ny fo, Sy ory ny fanahiko , Raha mba tsaroako izao Ny loza izay nanjo Anao. Fadiranovana Hianao, Nangotraka ny adinao; Ny dinitrao nanjary ra Noho ny fahoriana. Izany niaretanao Noho ny fitiavanao, Ka nentinao ny heloko, Izay tokony ho nentiko. Namita fanekem-baovao Ho famonjena Hianao , Nasianao kase izay Maharitra mandrakizay. Misaotra Anao ry Tompo ô ! Fa ravo ny fanahiko Handray ny fanomezanao Eo amin'ny latabatrao. Ny teninao inoako, Ka raisiko ho ao am-po ; Ny zava tsoa atolotrao Dia ranao sy ny tenanao. Ry Jeso, amboaronao Ny fonay ho fonenanao, Ka Hianao ho tianay Izao sy ho mandrakizay.Zıpla, Zıpla, Zıpla O Panie usłysz słowa me Дороги дороги дороги عيش فيي ياربى حبك سبانى Grande Tu sei Leul din Iuda مىنا بۉگۉن بئز كەدىك Mój Pan drogę zna Te-am gasit pe munti inalti
Song not available - connect to internet to try again?