O ! mandrosoa, ry mpanaraton'i Jeso, Izay no baiko azontsika, ka mandrosoa ; Jesosy Tompo no mibaiko, mandrosoa : Raiso ka arotsahy ny haratonao. Miaingà, namako ô ! Jeso no mibaiko Mandrosoa, mandrosoa, mandrosoa tokoa ; Aza kivy koa, na dia tsy mahazo : Mandrosoa amin'ny lalina kokoa. O ! mandrosoa, ry mpanaraton'i Jeso, Saina mora kivy aoka ho lavinao ; Ny mora kivy dia hanenina tokoa ; Raiso ka arotsahy ny haratonao. Miaingà, ..sns. O ! mandrosoa, ry mpanaraton'i Jeso, Mbola ao ny hazandrano ho azonao ; Tsy azonao anio, ampitso mandrosoa, Raiso ka arotsahy ny haratonao. Miaingà, ..sns. Mba mitoera, Jeso ao an-tsambonay Mba ho renay lalandava ny teninao ; Ny baikonao, ry Tompo, hankatoavinay Ka harotsakay izao ny haratonay. Miaingà, ..sns.Jinin Yesu Ya Ba da Shi Saboda Laifinmu Chaque fois que tu pries ʿmạnwỷyl Луч Sofdillik Ісус Ти найкращий Друг Basta una parola Göylərdən bu yerə Xoş Xəbər gəldi БЕЗЦЕННО Skało, którą rozwarł Bóg
Song not available - connect to internet to try again?