O ! miaingà izao, ry miaramila soa, Antsoin'ny Tomponao hiady hianao. Ny fahavalo ao, kanefa mandrosoa, // Mahery re no momba anao // Izao tontolo izao izay feno fahotana No iantsoana anao mba hotafihinao Indreo mihoraka ao ny fehin'ny Satana // Jeso anefa momba anao // Ny aizim-be izay mandrakotra ny tany No iantsoana anao ka andeha mba savao ; N Tompo no tafio, alao ny hazavany, // Tsilovy izao tontolo izao // Ny fahoriam-be izay manarona eto No iantsoana anao, ka moa ve handà ? Ampiononinao ny ory sy misento // O ! mazotoa ka miaingà // Na inona hanjo mbola ao ny famonjena Hahery hianao ! izay no antenao ; Ampoizinao tokoa izao ny fandresana, // Mahery Ilay arahinao // O ! mahereza izao, ry miaramila soa ! Ny hatrotrahanao iareto sy zakao. Jesosy no jereo, ka matokia tokoa. // Fa Izy re no herinao //Rab İsam, Rab İsam, Sen Ne Yücesin! قد وقفت في أبواب 내 입술로 Эзләгез Алла патшалыгын ạllh qd kẖlṣtnạ أستطيع كل شيء Жаңа әнмен мадақтаймын Сені Тәңірім لا تتركني سيدي Мен сенга керакман сен менга керак ʿsẖạn mḥbtk
Song not available - connect to internet to try again?