O ! miasà, sakaiza, Jeso no herinao ; Na misy mafy aza, Izy tsy handao. Dia matokia tokoa, Fa Jeso momba anao, Ka hisy vokan-tsoa Hifalianao. Maro ny andro lasa Izay tsy nanaovanao, Ka mbola be ny asa Izay tsy vitanao, Koa dia mitsangàna, Hanao tokoa izao, Hahavitanao tsara Ny anjaranao. Indro fa mihariva, Fohy ny andronao ; Moa tsy mba fantatrao va Ka tsy hitanao ? Eny, fa manakaiky Jeso Mpitsara re, Ary efa 'mby akaiky Ny hodianao. Rehefa tonga Jeso, Tompon'ny asanao, Ary hamaly soa Ny mpiasany. Mandrakizay doria No hifalianao, Raha mpanompo tsara Mahatoky e !يسوع أحبك Бечора, зиқу танҳо ạ̉sẖkr dmh byh ṭhrny నీవు చేసిన ఉపకారములకు SAFE ME AT THE CROSS వందనంబొనర్తుమో ప్రభో ప్రభో По дороге по тернистой Fitiavana ranovelona Le cri de mon âme Mędrcy świata monarchowie
Song not available - connect to internet to try again?