O! mihobia, fa teraka Jesosy Tompo, Zanaka, Mesia nantenaina, Mpamonjy sitraky ny Ray Ho avotra mandrakizay, Ka mendri-koderaina ! Renao izao Ny anjely mampiely Teny soa : Kristy teraka tokoa ! He ! tonga ny Mpanavotra Hanafaka ny tahotra Mamatotra ny tany, Mitondra fiadanana, Ka tena mampihavana Ny lanitra aman-tany. Indro tonga Ny Mpamonjy mahavonjy Ny mpanota, Ka manaisotra ny ota. Omeo voninahitra Ny Ray, Andriamanitra, Izay Tompom-pamonjena ! Ny Zanaka no raisonao, Fa fananganana anao Ny lova dia homena, Amen, Amen ! Teny soa mamy koa, Isika lavo koa, Tonga zanaky ny Avo !myn ạlly wạ̉nạ Qýanamyz biz árdaıym Náš Boh je mocný tvorstva Kráľ Слушайте повесть о Божьей любви 圣灵的能力 Я восхищаюсь Тобой, Бог мой tʿlyq 2 Tú Señor, cuando aquí confesamos Среди волнений в житейском море Men úshin ólgenińe
Song not available - connect to internet to try again?