O ! ry Fanahin'ny Ray ao ambony Andriamanitra mandrakizay, Aza avela hisaraka intsony Ny olo-mino, fa aoka hiray ; Taomy ho an'i Jesosy Mpamonjy Ny mbola maizina ka hazavao, Hahafantarany tsar any vonjy, Dia ho faly ny mino Anao. O ! ry Mpiantoka ny famonjena, Azo ny antoka tsara izao ; Tonga ny iraka be fahendrena Mba hanambara ny sitraponao, Ka ny lelafo noraisin'ny mino Sy ny fiteniny tonga vaovao Dia nahagaga, ka tena nampino Olona maro hanaraka Anao. Ry Mpampionona ô ! mba sitrano Fa voaratran'ny ota izahay ; Ka izay ory mba ampiadano, Ny malahelo falio indray ! O, mba ovaonao tokoa ny sainay, Taomy ka ampahareto ny fo ; Ka raha ory, arovy ny ainay, Mba tsy hafoinay intsony ny to !Биз гьордюклеримизи ве ишиттиклеримизи Святый Святый داڭققا تاتىقتۇۇ قۇدايدى اسماندا، En Tu presencia Нет силы Господи Танръ Айше'йи Гюзел Яраттъ Бахт фақат осмонда Сыналыулада Кой Бог е велик Señor Eres mi Pastor
Song not available - connect to internet to try again?