O, ry Jesosy Mpamonjy mahery ! Izaho maniry indrindra Anao, Fa reraka aho ka mila ho very, Ny foko saronan'ny ratsy izao. Ry Tompo, tsilovy Ny lalan'ny saiko, Ka mba arovy Ny fo sy ny saiko ! Efa hanafotra ahy ny rano, Faingàna, Jesosy, vonjeonao re ! Ho difotra aho, ry Tompo, ka tano, Diovy, afaho ny foko anie ! Ry Tompo, tsilovy ..sns. Efa akaikin'ny lalina aho, Ka mila ho voa, hilentika ao ; Ry Tompo malala, ny foko tanjaho Ka mba hazavao hahalala Anao : Ry Tompo, tsilovy ..sns. Aiza izao Hianao, ry Mpamonjy, Ry Tokin'ny ory sy reraka ô. No tsy mampiseho ny herin'ny vonjy Hanafaka ahy, izay ory am-po ? Ry Tompo, tsilovy ..sns. O, ry Jesosy, Izay maharara Ny onja namely ny sambo tarý Anivon'i Genesareta ho tsara Toneo ny onjan'ny foko atý ! Ry Tompo, tsilovy ..sns.هيا نرنم لربنا المسيح wǒ de shén జీవితయాత్రలో తుఫాను రేగగా Da Golgata den gamle høy Рəббə иман едəн утандырылармы? Aoka ho an'Andriamanitra mạạ̉ʿẓm ạ̉ʿmạlk СЕНДИЙ АДА БАР БЕДИ 耶稣在你家 Дуйсун даалар, дуйсун ташлар
Song not available - connect to internet to try again?