O, ry Jesosy Mpamonjy mahery ! Izaho maniry indrindra Anao, Fa reraka aho ka mila ho very, Ny foko saronan'ny ratsy izao. Ry Tompo, tsilovy Ny lalan'ny saiko, Ka mba arovy Ny fo sy ny saiko ! Efa hanafotra ahy ny rano, Faingàna, Jesosy, vonjeonao re ! Ho difotra aho, ry Tompo, ka tano, Diovy, afaho ny foko anie ! Ry Tompo, tsilovy ..sns. Efa akaikin'ny lalina aho, Ka mila ho voa, hilentika ao ; Ry Tompo malala, ny foko tanjaho Ka mba hazavao hahalala Anao : Ry Tompo, tsilovy ..sns. Aiza izao Hianao, ry Mpamonjy, Ry Tokin'ny ory sy reraka ô. No tsy mampiseho ny herin'ny vonjy Hanafaka ahy, izay ory am-po ? Ry Tompo, tsilovy ..sns. O, ry Jesosy, Izay maharara Ny onja namely ny sambo tarý Anivon'i Genesareta ho tsara Toneo ny onjan'ny foko atý ! Ry Tompo, tsilovy ..sns.Riposo del Tuo amore msẖ hạḥkylk mwsyqy - hạfḍl mʿạk O noapte preasfinţită ʿnd sẖq ạlfjr bạkr Amin, Amin, Amin Iray ny Ray Tsitoha Да будет Отцу Всеблагому хвала Аллаһым, Сөзүн илə гəлбими ју, тəмизлə, Dicha Grande Es La Del Hombre
Song not available - connect to internet to try again?