O, ry Jesosy, ny Anaranao Manatsika ahy izao hanatona, Hanolotra ny foko ho Anao, Mpamonjy tia sy Mpamelona. Manatona aho, ka miondrika Hanoroka ny tongo-masinao ; Izaho olona tsy mendrika, Ka mba havaozy, Tompo, ho Anao ! Antsoiko isan-andro Hianao Ry Toky tsara mahafatra-po, Ka amin'ny Anara-masinao No anankinako izay hanjo. Raha io no entiko mangataka, Hisokatra amiko ny lanitra, Ka dia ho azoko malalaka Ny zava-tsoa izay maharitra. Mamirifiry izao tontolo izao Tsy misy tena fitsaharana ; Fa fiereko ny Anaranao Ka ahitako fiadanana. O, ry Anaran'i Jesosiko, Ry Paradisa atý an-tany ô ! Ry voninkazo mampifaly fo ! Ry tohan'aina ao an-dalako. Iriko andro aman-alina Ny hanana Anao ho ao am-po, Ho Tokiko raha mbola velona Sy amin'ny hahafatesako. NY FIVORIAN'NY TANORAKde Duch Boží vládne На чудовій Україні Je suis.. wạtẖq ạny̱ ạbn lyk Kvetoucí mládí Любов Божа в плоть вбралась La pesca miracolosa Спаситель говорит Թող Հնչի Մեր շուրթերից Rab Yücedir, Övgüye Layıktır
Song not available - connect to internet to try again?