O ry Raiko izay malala, Tonga aho zanakao, Izay nania, fa adala, Ka mifona Aminao ; Mamelà ny fahotako Teo anatrehanao ; Ary ny fahadalako Aza mba heverinao ! He, izaho nanantena Izao fiainana izao, Ka nandà ny famonjena, Izay lazain'ny teninao ; Kanjo hitako tokoa, Fa izao tontolo izao Tsy mba manan-java-tsoa Hampiadana ny fo. Enga aho, izay mahantra, Mba ho isan'ny Anao ; Hianao ry Ray Mpiantra, Miantrà ny zanakao, Ary nohon'ny Mpamonjy, Izay nanavotra ahy re, Raiso aho ho tra-bonjy, Ha Anao, ry Ray ! Amen !ạ̹rfʿny ạlận nḥwk Нет небу синему конца Дахин энд Mayli tosh otsin Áldott, aki Nálad lakik Пада хомота Небесная Рука Атың Сенің киелі فوق كل قوة ورياسة خاطي وراجع
Song not available - connect to internet to try again?