O, ry Rain'ny fahazavana tsy milentika ! Avy izahay mitondra ny fisaorana ; Aloky ny fasanay no nipetrahanay, Nefa andro no nasolonao ny alinay. Enga ka handroso tsara ny mazava e, Mba ho fantatray tokoa Ilay manoa hoe : « Izaho no fahazavan'izao tontolo izao ». Hanazava sy hanitsy izay alehanao. Ny Fitarikandron'aina efa hita re, Manazava na ny kely na ny lehibe. Mahasoa, mahahendry, mahasambatra, Ka akory re ny andro izay hiposaka ! Mitsangàna, ry Ziona, ka mihazavà ! Voninahitry ny Tompo no miposaka ; Atopazy manodidina ny masonao. Ny haren'ny firenena tonga aminao.Будь прославлений Послушай мой друг я тебе скажу إزاي أنا هابكي Jen Tobě patří chvála Превыше силы Dök Ruhunu ạ̉nạ ʿạyz ạ̉kwn sẖbhk yạ yswʿ Сол бір кез есімде менің Walau Dosamu Merah Слушай мир Христос рождён
Song not available - connect to internet to try again?