O ! ry tanora mba tsarovy Ilay Tompo soa maty noho ny helokao ; Izy miantso anao moramora Vohay ny fonao hidirany izao. Ny saina sy ny safidy nomeny. Ka mba fidio ny ho mpanaraka An'i Jesosy, Mpanjaka Tsitoha, Ny fonao atolory hanjakany ao. O ! ry tanora miambena, Fa ny devoly dia mpamitaka mahay Maro ny fandrika ka mitandrema Tsy ho tra-nenina re mandrakizay. Ka ekeo anatrehan'ny Tompo, Handao ny ratsin'izao tontonlo izao. Raha Jeso no iankinanao mafy, Izy hiaro mba mba tsy hivadihanao. O ! ry tanora, mivavaha Fa Jeso Tompo dia Mpihaino vavaka Azy irery ny hery rehetra, Dia matokia mba ho afa-tahotra. Ka raha ory sy mila ho kivy, Dia andrandraonao Ilay Tompo be fitia ; Ny fitarainanao dia hohenoiny Ary ny fonao dia hampiadaniny. O! ry Jesosy, mba ampio Izaho mpianatrao mba ho madio fo Tantano aho, vimbino ry Jeso, Fa sarotra ny lalana alehako ; Iriko ny ho mpandresy ny ratsy, Iriko hahatanteraka ny soa ; Omeo hery sy tanjaka aho. Efao ny asa tsara ao anatiko.wèi fú yīn Ramai cu noi căci e spre seară بكل خشوع 주님 내가 여기 있사오니 من مطرح لمطرح Über alle Welt bist du der Herr Мой сильный Бог может сделать всё btẖqẗ ạ̉tqdm Дойдете, уморени вий Sei bellissimo
Song not available - connect to internet to try again?