O ! ry tanora mba tsarovy Ilay Tompo soa maty noho ny helokao ; Izy miantso anao moramora Vohay ny fonao hidirany izao. Ny saina sy ny safidy nomeny. Ka mba fidio ny ho mpanaraka An'i Jesosy, Mpanjaka Tsitoha, Ny fonao atolory hanjakany ao. O ! ry tanora miambena, Fa ny devoly dia mpamitaka mahay Maro ny fandrika ka mitandrema Tsy ho tra-nenina re mandrakizay. Ka ekeo anatrehan'ny Tompo, Handao ny ratsin'izao tontonlo izao. Raha Jeso no iankinanao mafy, Izy hiaro mba mba tsy hivadihanao. O ! ry tanora, mivavaha Fa Jeso Tompo dia Mpihaino vavaka Azy irery ny hery rehetra, Dia matokia mba ho afa-tahotra. Ka raha ory sy mila ho kivy, Dia andrandraonao Ilay Tompo be fitia ; Ny fitarainanao dia hohenoiny Ary ny fonao dia hampiadaniny. O! ry Jesosy, mba ampio Izaho mpianatrao mba ho madio fo Tantano aho, vimbino ry Jeso, Fa sarotra ny lalana alehako ; Iriko ny ho mpandresy ny ratsy, Iriko hahatanteraka ny soa ; Omeo hery sy tanjaka aho. Efao ny asa tsara ao anatiko.Hêja Hêja Hêja yạ yswʿ ạ̉nt mn wʿdt Он есть Господь царит в высоте ạ̉nt hw bạlḥqyqẗ Ni Ƙofa Ne, Ta Sama Dai Evindeyim Ты всё отдал чтоб вечно быть со мной Не страшись ибо Я с тобою Net U alleen Со мной останься меркнет луч дневной
Song not available - connect to internet to try again?