Oram-be mivatravatra, Arotsahy, Tompo ô ! Fa mangetaheta loatra Izahay mpanompona. O ! valio, O ! valio, Mitaraina ka valio. He ! malazo re ny voly Izay maniry tsy mamoa ; Nefa raha omenao aina, Dia ho vokatra tokoa. O ! vangio, O ! vangio, Sao dia maty, ka vonjeo. Tovy eto, ry Mpamonjy ! Izay nambara fahizay, Ka iraho ny Fanahy Amin-kery lehibe. O ! henoy, O ! henoy, Ka valio ny vavakay. He ! toa kivy ka manahy Izahay mpiasanao ; Aza ela, ry Fanahy ! Asehoy ny herinao. O ! avia, O ! avia, Misehoa, Fanahy ô !Kimseden Korkmam فيه واحد بيحبك Баба'нън Севгиси Дерин โอ้ข้ายกพระนามสูงสุด Jak pięknie nam jutrzenka lśni Йоргун рухум దేవర నీ దీవెనలు Maqtanamız qúdiretli Qudayım! Дружно дружно за работу I'll Say Yes, Lord, Yes
Song not available - connect to internet to try again?