Raha maizina ny lalana Jehovah Tompo ô ! Hianao no iankinana, Hianao no jiroko. Tsy hitako izay hanjo, Fa takona amiko Ny andro sisa iainako, Izay nalahatrao. Na mbola ela velona, Na maty haingana, Ny zarako voatendrinao, Tsy te-hifidy aho. Fa Kristy ivelomako Raha mitoetra ; Ny faty tombondahiko Fodiana aminao. Ny fanompoako atý, Tsy mahavesatra ahy ; Tsy maika te-hiala etý Raha tsy antsoinao. Raha tapitra ny androko, Dia tsara lavitra Ny mody any aminao Hiala sasatra. Ny sitrakao no sitrako, Jehovah Tompo ô ! Ny teninao andrasako, Hianao no tokiko.Es amor lo que Cristo a mí me da Žádná zbraň rnmwạ llh Yüksәk yüksәk jrạḥ ḥbyby إلهي حي مش بين الأموات Davanti a Te Ты все переменил Žalm Svätodušný Кутсал Олан
Song not available - connect to internet to try again?