Raha manahy ny fanahy Azom-pahoriam-be, Ka ny aina mitaraina, Ranomaso mitete, Aza ketraka etý. Fa tazony ny arý. Ao miharo feo maro, Fatratra ny hira ao ; Ao mifaly ny nijaly, Ory teo, ravo izao ; Ao Jesosy Zokinao Faly hovantaninao. Hazon'aina tsy mba maina No maniry tsara ao, Voninkazo tsy halazo No ho fifalianao ; Faly ny nandre izao, Mainka fa ny tonga ao. Ry Mpamonjy, ho tra-bonjy Anie ny olonao ! Fa maniry ny tahiry Ao an-danitra aminao ; Mba faingàna Hianao Haka ny malalanao !bḥbk bạhdylk kl qlby Je v mojom srdci krásne jasno Пусть звучит хвала fy rhbẗ ลูกสุดที่รัก ทุกครั้งที่หลับตา มองดูที่กางเขน ʿwdy yạ frḥẗ أخبرني لأننا نحن عمله Ty poznáš zámer 'Kau T'rima Kuasa
Song not available - connect to internet to try again?